Aller au contenu

Antoine de Padoue

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Antonio di Padova sy i Jesoa zazakely

I Fernando Martins de Bulhões dia pretra fransiskana (katôlika), mpampianatra foto-pampianarana ara-panahy, mpitoriteny fanta-daza ary mpanao fahagagana, izay nasandratra ho olomasina tamin' ny taona 1232, roa taona latsaka taorian' ny fahafatesany, dia nambara ho mpampianatry ny Fiangonana (latina: doctor ecclesiae) tamin' ny taona 1946.

Teraka tamin' ny 15 Aogositra 1195 tao Lisboa (Pôrtogaly), izy ary maty tamin' ny 13 Jona 1231 tao akaikin' i Padova (Padoue amin' ny teny frantsay) any Italia. Ao amin' ny litorjia dia tsarovana isaky ny 13 Jona ary hajaina amin' ny anarana hoe Antonio di Padova (amin' ny teny italiana) na hoe Antoine de Padoue (amin' ny teny frantsay) na António de Lisboa (amin' ny teny pôrtogey).