Aller au contenu

Sodàna

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Sainan' i Sodàna
Mari-piandrianan' i Sodàna
I Sodàna eo anivon' izao tontolo izao
Sarin-tanin' i Sodàna

I Sodàna na Repoblikan' i Sodàna dia firenena ao Afrika Atsinanana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mena avy ao avaratra-atsinanana izy sady mamakivaky azy avy any avaratra mianatsimo ny lohasaha sy ny onin' i Nily. Manana velarana mirefy 1 886 068 km² i Sodàna. I Khartoum no renivohiny. Atao hoe Sodaney ny vahoakan' ity firenena ity.

Mamaritra azy avy ao avaratra i Ejipta, ao atsinanana i Eritrea, ao atsimo i Kenia sy i Oganda ary ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ary ao andrefana ny Repoblikan' i Afrika Afovoany sy i Tsady ary i Libia.

Firenena anjakan' ny tany efitra i Sodàna, ka zava-dehibe indrindra aminy ny rano: ny ony Nily no mahalonaka an' ireo lohasaha maro. Ny ampahany be amin' ny tanin' i Sodàna doa tondrahan' ny onin' i Nily. Ao avaratra, andaniny sy ankilan' i Nily, dia ahitana ny tany efitr' i Libia (ilany andrefana), izay zarazarain' ny lembalemba maro, sy ny tany efitr' i Nobia (ilany atsinanana), izay fefen' ny tandavan-tendrombohitra amin' ny morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mena. Ao afovoan-tany no ahitana an' i Sahely izay vakivakin' i Nily Fotsy sy i Nily Manga ary i Atbara. Ao andrefana no ahitana an' i Darfour, izay faritra be tendrombohitra sy ahitana lembalemba karankaina. Miovaova arakaraka ny faritra ny toetany ao Sodàna: toetany karankaina an-tany efitra ny ao avaratra, toetanin-jana-pehin-tany ny ao afovoany ary toetanim-pehiben-tany be orana ny atsimo.

Mizara ho vondrona lehibe roa lehibe ny vahoaka sodaney, dia ireo vahoaka manaraka ny finoana silamo (75 %) izay monina ao avaratra sy ao afovoan-tany, sy ireo vahoaka kristiana sy mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana ao atsimo.

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren’ i Sodàna. Izy no firenena voalohany mpamokatra ny gôma arabo izay ampiasaina amin' ny fitehirizana voankazo mamy nahandroina na amin' ny fanamboarana ranomanitra. Simban' ny ady an-trano anefa izany toekarena izany nanomboka amin' ny nafazoany ny fahaleovan-tena tamin' ny taona 1956. Ny fiteny arabo no fiteny ôfisialin' i Sodàna.

Jereo koa

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany