Als pdf oder txt herunterladen
Als pdf oder txt herunterladen
Sie sind auf Seite 1von 8

F.V.M.

FIVONDRONAN’NY VAHOAKA MADINIKA MIAVO-TENA - MADAGASIKARA

F.V.M.M.
FIKAMBANANA GASY MIJORO
SATA MIFEHY NY FIKAMBANANA

TOKO I : ANARANA SY FIORENANA

And.1: ANARAN’NY FIKAMBANANA (DÉNOMINATION)


Niainga tamin’ny alàlan’ny foto-pijery mitovy avy amin’olona maromaro
manoloana ny zava-misy eto Madagasikara, no nananganana ny fikambanana, ary nomena
ny anarana hoe: F.V.M.M, na FiVONDRONAN’NY VAHOAKA MADINIKA MIAVO-TENA.
Manana ny teny filamatra hoe: “NY FIRAISANKINA NO HERY”
FITOMBOKY NY FIKAMBANANA

And.2: FOIBENY (SIEGE SOCIAL)


Lot A 278 Andavamamba Anatihazo II – Tana 101. Azo afindra toerana, araka
izay ilana azy, ka ny Birao Fototra no manam-pahefana hanapaka izany.

And.3: FAHARETANY (DURÉE)


Ny faharetan’ny fijoroan’ny Fikambanana dia tsy voafetra;

LOT A 278 ANDAVAMAMBA ANATIHAZO II

TEL.: (261 34 98 963 39)


F.V.M.M

FIVONDRONAN’NY VAHOAKA MADINIKA MIAVO-TENA - MADAGASIKARA

TOKO II: FOTOKEVITRA SY ZAVA-KENDRENA

And.4: FOTO-KEVITRA IJOROANA (PRINCIPE GÉNÉRAUX)


Ny FiVONDRONANA F.V.M.M dia Fikambanana natsangana hanatanteraka “Asa
Sosialy”. Mahaleo-tena, tsy manao Politika na antoko politika, tsy miankina ara-pinoana,
araka ny didy hitsivolana n° 60-133 navoaka an-gazety ofisialy tamin’ny 03 oktobra 1960.
Afaka miara-miasa amin’ny rehetra mitovy hevitra aminy na ihany koa vahiny mitovy
tanjona sy tarigetra ary fijery amin’ny Fikambanana.
Tsy manavaka foko na fiaviana, na volon-koditra, fa mitandro ny maha iray tsy
mivaky ny Malagasy rehetra eto Madagasikara sy ireo mila ravin’ahitra any ampitan-
dranomasina.

And.5: ZAVATRA HO ATAONY (OBJET)


Ny Fikambanana dia mikasa hanatanteraka Asa eo anivon’ny fiaraha-monina,
manerana ny Nosy, arak’izay vitany sy tratrany toy ny lafin’ny “SOSIALY –
FAMPIANARANA – TONTOLO IAINANA – FAHASALAMANA – SNS …”;

And.6: TANJON’NY FIKAMBANANA (BUT);


HAMPANDROSO NY FIRENENA – HITSINJO NY HO AVY – HIARO SY HIKAJY ARY
HIJORO HOAN’NY TANINDRAZANA SY NY HOAVIN’NY TARANAKA MALAGASY.

And.7: ZAVA-KENDREN’NY FIKAMBANANA (OBJECTIF)


Mba ho fivoaran-tenan’ny daholobe sy ny tsirairay, ny fikambanana dia nanolo-
tena mba hiara-hiasa sy hiara-hientana :
• Hiara hientana mba hifanampy ara-pivelomana ny olona sairana (Ny maha-olona
feno);
• Fampandrosoana, fahamendrehana ary fifampitsinjovana ny samy Malagasy;
• Fivoaran’ny tontolo: ”Ara-tsosialy, fampianarana, fiarian-karena ”;

LOT A 278 ANDAVAMAMBA ANATIHAZO II

TEL.: (261 34 98 963 39)


F.V.M.M

FIVONDRONAN’NY VAHOAKA MADINIKA MIAVO-TENA - MADAGASIKARA

And.8: NY TOE-TSAINA HIAINAN’NY FIKAMBANANA (ESPRIT ASSOCIATIF)


Ny Fikambanana dia tsy manao asa na hetsika miendrika Politika na fanehoan-
kevi-politika.
Ny Mpikambana dia vonona ny hanatanteraka izay asa sy hetsika maro isan-
karazany ataon’ny Fikambanana ho an’ny Fampandrosoana rehetra tsy misy
fanavakavahana.
Ny fikambanana dia maniry sy mamporisika ary vonona hiara-hiasa amin’ireo
Mpanampy sy Mpanohana sy Mpiara-miombon’antoka rehetra sy izay rehetra te-hiara-
hiasa aminy: olo-tsotra, mana-traikefa, Fikambanana miankina na tsy miankina, mitovy
zava-kendrena aminy.
Ny Mpikambana dia tsy manana fahefana hitondra ny anaran’ny Fikambanana
amin’ny sehatra hafa hivelan’ny Fikambanana raha tsy mahazo alàlana feno avy amin’ny
Mpikambana izay laniana eo anivon’ny Fivoriambe ary ahazoana taratasy manamarina
izany.

TOKO III: FIDIRANA NA FIALANA NA FANALANA MPIKAMBANA


(MODALITÉS D’ADHÉSION-DÉMISSION-RADIATION)

And. 9: FIDIRANA HO MPIKAMBANA (ADMISSION)


Ny olona ao anatin’ny Fikambanana dia izay rehetra mahatsapa-tena fa vonona
ny hanasoa ny Tanindrazana sy ny mpiara-belona eto Madagasikara ka mahafeno ireto
fepetra ireto:
• Olona feno 18 taona, manana kara-panondrom-pirenena no mihoatra;
• Manana finiavana hanatanteraka fanentanana sy fampianarana ary fanofanana ireo
tanora, n’aiza n’aiza eto amin’ny firenena;
• Olona tsy manavakavaka amin’ny lafiny rehetra;
• Olona mahafoy tena ;
• Olona tia manatanteraka amin’ny fony izay rehetra ampanaovina azy;
• Olona vonona hanaraka antsakany sy andavany ny fitsipika mifehy ny Fikambanana;

LOT A 278 ANDAVAMAMBA ANATIHAZO II

TEL.: (261 34 98 963 39)


F.V.M.M

FIVONDRONAN’NY VAHOAKA MADINIKA MIAVO-TENA - MADAGASIKARA

And.10: FIALANA NA FANALANA MPIKAMBANA (DÉMISSION / RADIATION)


Ny fialana ataon’ny Mpikambana iray dia hamarinina sy dinihin’ny Mpikambana
Mpitantana rehetra, aseho amin’ny alàlan’ny taratasy an-tsoratra ataon’ilay hiala izany ary
vakiana sy hampahafantarina ny rehetra.
Ny Mpikambana rehetra izay voafehin’ny Fitsipika kanefa mandika izany dia
tafiditra ao anatin’ny fanalana azy, izay dinihina sy lanian’ny 2/3 ny Mpikambana
mpitantana.
Ny mpikambana iray miala na nalana dia tsy manana fahefana ahazo na hizarana
izay mety ho tombotsoan’ny Fikambanana ary tsy manana fahefana intsony hanatanteraka
ny andraikiny eo anivon’ny Fikambana. Raha nisy ny zavatra na vola natolony ho an’ny
Fikambanana dia tsy azony halaina intsony izany, fa efa mipetraka ho an’ny Fikambanana.

TOKO IV- RAFI-PITONDRANA:

(STRUCTURE ET ORGANISATION)

And. 11: FIVORIAMBE (ASSEMBLÉE GÉNÉRALE)


- Ny fivoriambe no fahefana faratampony ao anatin’ny F.V.M.M;
- Ny fivoriamben’ny Mpikambana mandrafitra ny F.V.M.M dia tanterahina indroa
isan-taona, ampahafantarina telo herinandro mialohan’ny fotoana hanaovana
famoriana. Amin’io no hanaovan’ny mpitantana ny tatitra rehetra amin’ny
tomban’ezaka vita ary amin’io ihany koa no handraisana ny hetahetan’ny
Mpikambana sy ny fanakianana hentina hanatsarana raha toa ka misy.
- Ny 2/3 n’ny mpikambana tonga manatrika vao manankery ny fivoriambe. Raha tsy
tratra io isa io dia asiana fiantsoana vaovao indray afaka herinandro ary afaka
manapa-kevitra itan’ny mpikambana izay tonga na firy na firy no isany amin’io
fiantsoana manaraka io.

LOT A 278 ANDAVAMAMBA ANATIHAZO II

TEL.: (261 34 98 963 39)


F.V.M.M

FIVONDRONAN’NY VAHOAKA MADINIKA MIAVO-TENA - MADAGASIKARA

- Ny Mpikambana izay tsy tonga manatrika ny fivoriana dia manaiky sy mankatoa izay
rehetra tapaka teo anatrehan’ny fivoriana. Manao filazana sy fampahafantarana
mialoha ny Mpikambana izay tsy afaka hanatrika.
- Afaka miantso fivoriambe tsy ara-potoana ny FILOHA raha misy antony lehibe ilana
izany, rehefa laniera teo anatrehan’ny birao.
- Ny fanovana na fanavaozana ny Fitsipika dia azon’ny Fivoriambe tanterahina
amin’ny alàlan’ny fifidianana miafina ka 2/3 ny Mpikambana no tonga mifidy vao
manankery.
- Ny Fivoriambe irery ihany no manana fahefana feno:
• Mifidy ny olona ho Filoha lefitra hira-hitantana ny Fikambanana;
• Manolotra ny Birao ;

And.12: ENDRIKY NY FIKAMBANANA SY NY ANDRAIKITRY NY MPIKAMBANA


(QUALITÉET RÔLE DES MEMBRES)
Ny Birao mandrafitra ny Fikambanana no fahefana mitantana mandritra ny efa-
taona, miendrika ho toy izao:

❖ BIRAO FOTOTRA NA FOIBE (Comité de Direction « COMDIR »)


Ny Birao fototra dia ahitana ireto rafitra ireto :

• Filoha Mboninahitra (01)

• Filoha lefitra telo

- RESPONSABLE COMMUNICATION

- RESPONSABLE ADMINISTRATIF

- RESPONSABLE PROJET ET BUDGÉTAIRE :

➢ TRÉSORIER

• Mpitan-tsoratra iray (01)

• Mpanolotsaina(0 5)

LOT A 278 ANDAVAMAMBA ANATIHAZO II

TEL.: (261 34 98 963 39)


F.V.M.M

FIVONDRONAN’NY VAHOAKA MADINIKA MIAVO-TENA - MADAGASIKARA

Ny andraikitr’izy ireo dia:

- Mitantana feno sy mandrindra ny Fikambanana amin’ny lafiny rehetra.


- Mpanapa-kevitra.
- Mitarika ny fivoriam-be, na ara-potoana na tsy ara-potoana.
- Mikarakara ny taratasy rehetra hilain’ny Fikambanana eny anivon’ny Sehatra
rehetra mila izany.
- Misolo-tena ny Fikambanana eny anivon’ny sehatra rehetra ivelany;
- Mametraka ny drafitr’asan’ny fikambanana ;
- Manaramaso ny fahalavorarian’ny asa rehetra sy ny olona hanatanteraka ny asa eo
anivon’ny Fikambanana ;
- Manao ny tatitra amin’ireo sehatra rehetra hanatanterahina izany ;
- Ny Birao Fototra dia mivory indroa isam-bolana, ankoatry ny hamehana.
- Ny fivoriana hiarahanana amin’ireo mpanatanteraka dia tanterahina isaky ny roa
volana.

❖ MPANATANTERAKA (Comité Exécutif « COMEX »)


Koa satria ny F.V.M.M dia najoro hampandroso ny Firenena sy ny mpiara-
belona manerana ny Nosy, araka ny tanjona ho tratrarina (And.6) koa mba hahamora ny
fanatanterahina ny asa dia tsy maintsy asiana ny birao Mpanatanteraka na Mpanampy
isaky ny Faritany (Antenne na Bureau de liaison).
Ny andraikitr’izy ireo dia :
- Misahana feno ny asa sy ny fanatsarana eny anivon’ny Faritra na Faritany tantaniny;
- Tompon’andraikitra amin’ny asa ataony ;
- Miandraikitra ireo fitaovana hampiasaina ;
- Tompon’andraikitra feno ny Faritra na Faritany sahaniny ;
- Tsy afaka maka fanapahan-kevitra raha tsy mahazo alàlana avy any amin’ny Foibe;
- Ny sahan’asa na foto-drafitr’asa izay miainga avy any amin’ny Foibe irery ihany no
azony atao sy tanterahiny;

LOT A 278 ANDAVAMAMBA ANATIHAZO II

TEL.: (261 34 98 963 39)


F.V.M.M

FIVONDRONAN’NY VAHOAKA MADINIKA MIAVO-TENA - MADAGASIKARA

- Raha manana sahan’asa na foto-drafitr’asa novolavolainy ho tanterahiny izy dia


hentiny eo anatrehan’ny Foibe izany, dinihina miaraka ary ny Foibe no manome na
tsia ny alàlana ahafahany manatanteraka izany;

NB : Ny fanavaozana ny Mpitantana rehetra dia isaky ny enim-bolana (06) alohan’ny


fahataperan’ny mandà iray voalaza etsy ambony, fa ny Filoha Mpanorina kosa dia tsy
misy fahataperany ary tsy azo soloina na ovana.

TOKO V- FIDIRAM-BOLA (SOURCE DE


FINANCEMENT)

And. 13: LOHARANOM-BOLA (RESSOURCES)

- Ny loharanom-bolan’ny Fikambanana dia:


• Ny fanohanana ara-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka na ny
mpanohana.
• Tolo-tànana ataon’ny mpikambana sy ireo malalatànana rehetra.

TOKO VI- VOLA MIVOAKA (DÉPENSE)

And. 14: VOLA MIVOAKA (DÉPENSE)

Ny vola na famatsiam-bola izay azo avy amin’ireo Mpiara-miombon’antoka dia


hentina hanatanterahina ny sahan’asa na foto-drafitr’asa ho sahanina ary koa
fampandehanan-draharaha eo anivon’ny fikambanana.
Ny filoha sy ny filoha mpanampy misahana ny vola sy ny tetik’asa no manao
Sonia miaraka, amin’ny famoaham-bola rehetra ;
Ny fikambanana dia tokony manana tahirim-bola (kaonty), mba ahamora ny
fitazonana sy ny fanaraha-maso ny vola rehetra miditra sy mivoaka ;

LOT A 278 ANDAVAMAMBA ANATIHAZO II

TEL.: (261 34 98 963 39)


F.V.M.M

FIVONDRONAN’NY VAHOAKA MADINIKA MIAVO-TENA - MADAGASIKARA

TOKO VII- FAHARAVANA (DISSOLUTION)

And. 15: FANDRAVANA NY FIKAMBANANA SY NY HANAOVANA NY FANANANA


SISA TAVELA RAHA TOA KA SANATRIA RAVA NY FIKAMBANANA

(DISSOLUTION / DÉVOLUTION)

Ny fandravana ny Fikambanana dia ny Filoha irery ihany no tompon’ny teny


farany amin’ny fandravana ny Fikambanana, hambara am-pahibemaso eo anatrehan’ny
Fivoriambe amin’ny fanehoana ny antony rehetra ;
Ny fananana sy ny fitaovana rehetra kosa dia atolotra ny fikambanana mitovy
tanjona sy firehan-kevitra aminy. Ny birao fototra no manolotra izany ;

NB:
Ny Mpikambana rehetra dia manaja sy mankatoa izay rehetra voalaza ato
anatin’ny Fitsipika, ka ny tsy fanarahana izany dia midika ho fanalana ny tenany ;
Izay rehetra Mpikambana dia aoka hanaraka antsakany sy andavany ny
fitsipika;

Natsangana ny Sata teo anatrehan’ny Fivoriambe, anio faha-

Ny FIloha

BAOLAHY Harison Alain Patrick

LOT A 278 ANDAVAMAMBA ANATIHAZO II

TEL.: (261 34 98 963 39)

Das könnte Ihnen auch gefallen