Télécharger au format pdf ou txt
Télécharger au format pdf ou txt
Vous êtes sur la page 1sur 28

FIKARAKARANA VOLO

Nosoratan’i Valisoa RZAFINDRAKOTO


Mpitantana ny orin’asa RandraNa
Teny fanolorana

Faly miarahaba antsika rehetra, tsapa tokoa fa ny volo dia anisan’ny singa iray manome endrika antsika

vehivavy ary rariny sy hitsiny raha ho liana amin’ny fikarakarana volo isika. Maro ihany koa no mametraka

fanontaniana ao amin’ny pejy RandraNa momba izany ka izany indrindra no anoratana ity boky ity mba

handravonana ny valinteny izay nomena ny tsirairay. Indro ary atolotra amp-pitiavana be ireo torohevitra rehetra

hoentina manatsara ny volontsika.

Raha misy mahaliana anao koa ao amin’ny pejintsika dia aza misalasala manontany. Ary ialana tsiny ety

amboalohany ny fisiany teny mifangaro, izany hoe malagasy sy frantsay mba hahamora ny fandraisantsika ny

torohevitra. Mankasitraka anareo nanjifa dia mirary soa antsika sahady mba hahita fahombiazana..
 Fanaovana test de porosité

 Volo faible porosité

 Volo forte porosité

 Fanamboarana menaka mampaniry volo

 Manalava volo amin’ny tongolo oignon

 manalava volo amin’ny ravin-goavy

 Manalava volo amin’ny ovy

 Fomba fikoloana volo mihintsana

 Fanalana angadrano

 Tsara ho fantatra
Test de porosité

Tena zava-dehibe tokoa ny fahafantarana ny « porosité » ny volo mba hahafantarana ny « soins » mifanaraka

aminy. Miankina amin’io « porosité » io tokoa ny rehetra satria tsy hoe rehefa « produits » mety amin’ny volon’olona

hafa dia hety amin’ny anao koa. Toy izao ary ny fomba fanaovana azy :

 Sasana madio tsara ny volo tsy mampiasa shampoing na produits hafa fa ataovy savony nosy raha azo atao. Avela

ho maina tsara avy eo

 Maka rano iray vera fa tsy atao feno be ilay vera

 manongotra volo iray ary arotsaka anatin’io vera io ka ajanona ao mandritrin’ny 5 minitra farafahakeliny
Test de porosité

Ireto ny valiny miseho eo :

 Faible porosité : mitsingevana aty ambony ilay volo

 Porosité normale : mijanona eo ampovoan’ny vera ilay volo (anelanelany)

 Forte porosité : milentika any amin’ny faran’ny vera ilay volo

Izay ary ny mikasika ny « porosité » ka hojerentsika manaraka ireo « soins » mifanaraka aminy
Volo faible porosité

Tsara ho fantatra fa ny mikantona ny « écailles » na « cuticules » ho an’ny volo faible porosité ka sahirana

izy amin’ny fandraisana « produits » satria tsy tanteraka anatin’ny volo ny « produits » fa mijanona eo amin,ny

surface fotsiny

Zavatra atao :

Alohan’ny hanao soins/masques dia mila sokafana io écailles io, amin’ny alalan’ny hafanana, mba hahatafiditra ny

produits

 Rehefa hanao soins dia volo mando no tsra anaovana azy izany hoe mandoana amin’ny rano mafana

 Bain d’huile : Mila afanaina ny menaka alohan’ny hanosorana azy amin’ny volo ary fonosina sachets na bonnet

mba hitazona ny hafanana. Holazaina etsy ambany ny menaka mety amin’izany volo faible porosité izany
Volo faible porosité

 Mila mampiasa champoing clarifiant izay manana PH<7 izany hoe tsy « acide » ny taharo ao anatiny

 Ny masques ampiasaina :

• masques hydratants : Tantely, gel de lin, gel de gombo, Vahona, yaourt nature

• soins protéines : œufs, avocats, akondro,…

 Zavatra tandremana :

• Tsy mahazo mampiasa vinaigre de cidre sy voasary mankirana amin’ny volo

• Tsy mahazo manasa loha amin’ny rano mangatsiaka fa rano mafana ihany
Volo faible porosité

• Tsy azo atao ihany koa ny mapiasa menaka mavesatra toy ny kinana sy ny beurre de karité sns

• Tandremana ihany koa ny « excès de protéine » izany hoe fahabetsahan’ny protéine diso tafahoatra.

• Rehefa manao « soins » dia 75% « soins hydratant » ary 25% no « soins protéine »

• Ohatra 3 soins hydratant pour 1 soin protéine

• Efa eo ambony ny masques hydratants sy ny proteines


Ireto avy ny menaka mety amin’ny volo faible porosité

 Pépins de raisins

 Amande douce

 Huile de Jojoba

 Amla

 Macadamia

 Huile d’Argan

 Huile coco

 Huile d’avocat
VOLO FORTE POROSITE

Tsara ho fantatra fa ny misokatra ny « écailles » na « cuticules » ho an’ny volo forte porosité ka mora miditra

ny « produits » fa tsy mitrazona firy, malemy ny volo ary mora maina kely

Zavatra atao :

Alohan’ny hanao soins/masques dia mila sokafana io écailles io, amin’ny alalan’ny hafanana, mba hahatafiditra ny

produits

 Bain d’huile : Tsy mila afanaina ny menaka alohan’ny hanosorana azy amin’ny volo ary tsy azo fonosina sachets

na bonnet satria tsy mila hafanana izy. Menaka mavesatra no mety ambiny izay holazaina any ambany

 Mila manao soins protéines : œufs, avocats, akondro, tantely


VOLO FORTE POROSITE

 Rehefa hanakobana volo farany dia tsara raha asiana vinaigre de cidre 2 sotro lehibe ny rano

 Tsy mahazo manasa loha amin’ny rano mafana fa rano mangatsiaka ihany no ampiasaina

 Ireto avy ny menaka mety amin’ny volo forte porosité

• Huile de ricin ( menaka Kinana )

• Huile d’olive

• huile de moutarde

• Beurre de karité
Fanamboarana menaka mampitsiry volo

Zavatra ilaina :

 Vahona ( Aloe vera )

 Sakamalaho (gingembre)

 Tongolo be ( Oignon )

 Vitamine E

 Menaka izay tinao mifanaraka amin’ny porosité-ny voolo

Toy izao ary ny fanamboarana azy :

 Fomba voalohany :

• voasana ny tongolo sy ny sakamalaho ary kikisana na mixer-na. Atao izay hahazoana ny ronony
Fanamboarana menaka mampitsiry volo

• Tetehina majinika kosa ny vahona tsy misy fetrany ny habetsakany fa ianao no mahalala izay mba mety hifandanja

amin’ny habetsaka ny menaka hampiasaina eo.

• Alaina ilay menaka ary endasina ao ireo vahona ireo mandra-pahamendy azy. Mahazo loko somary « doré » izay

izy. Afo malefaka no ampiasaina ary esorina rehefa mendy dia tatavanina mba hahazoana ilay menaka

• Ny menaka azo avy eo dia afangaro amin’ilay ranon’ny tongolo sy sakamalao tetsy ambony

• Asiana vitamine E amin’izay

• Ampiasaina isaky ny hanao bain d’huile io menaka io


Fanamboarana menaka mampitsiry
volo

 Fomba faharoa :

• Satria somary mahery fofona ilay ranon’ny tongolo sy sakamalaho dia izao indray no atao

• Maka menaka mifanaraka amin’ny volonao dia avy dia asiana vitamine E

• Atao menaka fihosotra isan’andro


Fanamboarana menaka mampitsiry volo

 Fomba fahatelo :

• Alaina ny menaka fampiasa ary maka tongolo be 2, sakamalaho 1

• Potepotehina ireo rehetra ireo dia atao anaty menaka

• Avela hilona ao mandritra ny telo andro dia tatavanina avy eo

• Afaka atao fanaovana bain d’huile sy menaka fihosotra isan’andro ihany koa
Manalava volo amin’ny tongolo be
(oignon)

Maka tongolo be 4 na 6

o Voasana ary totoina na mixer-na mba hahazoana ny ranony

o Ahosotra amin’ny hodi-doha ary ajanona ora ray farafahakeliny

o Atao isakin’ny 2 andro

o Mety amin’ny karazam-bolo rehetra

o Tsy azo atao amin’ny loha misy fery


Manalava volo amin’ny ravin-goavy

Zavatra ilaina :

 Ravin-goavy 10 isa raha manify ny volonao

 Ravin-goavy 2à isa raha matevina ny volo

Fikarakarana azy :

 Sasana madio tsara ny volo

 Ampangotrahina amin’ny rano 1 litatra sy sasany raha ilay 15 isa

 Ampangoyrahina amin’ny rano 2 litatra raga ilay 20 isa

 Mandritran’ny 20 minitra no itanehana azy

 Avela hangatsiaka ary anakobanana volo


Manalava volo amin’ny ovy (pomme de terre)

Zavatra ilaina :

 Ovy 1 na 2 lehibe

Fikarakarana azy :

• Voasana ary sasana madio tsara

• Tetehina majinika ary mixer-na

• Fiazana amin’ny voaly manify mba hahazoana ny ranony

• Ahosotra amin’ny hodi-doha sy ny volo ary ajanona 20-25 minitra

• Kobanina avy eo

• Atao indroa isan-kerinandro


Fomba hikoloana volo mihintsana

Zavatra ilaina :

 Atody 1

 Akondro 1

 Tantely 1 sotro fihinana

 Labiera 125 ml

Fikarakarana azy :

• Potserina amin’ny lovia ny akondro

• Kapohina amin’ny lovia hafa ny atody


Fomba hikoloana volo mihintsana

• Afangaroy ilay atody sy tantely

• Araraka ao ny tantely sy ny labiera ary afangaro tsara

• Ahosotra amin’ny hodi-doha maina tsara sy madio io maska io ary orima mandritra ny 5 minitra ny hodi-doha

• Avela hilona eo mandritra ny 1 ora ary kobanina toy ny mahazatra

• Atao indroa isambolana io « traitement » io

• fanamarihana : Labiera tsy misy alikaola no ampiasaina izany hoe asiana siramamy ilay labiera vidiana eny

amin’ny mpivarotra ireny mba hiala ny alikaola


Fomba manaraka ikarakarana volo mihintsana na miongotra :
Zavatra ilaina :
 Atody 1 na 2 arakaraka ny hatevina ny volo
 Menaka fampiasa amin’ny volo
 Vitamine E
Fikarakarana azy :
 Alaina ny tamek’atody dia atao anaty vilia baolina
 Ahodina toy ny manodina mayonnaise amin’ny menaka fampiasanao amin’ny volo
 Asiana vitamine E, afaka tsy asiana raha tsy misy
 Rehefa vita izay dia ahosotra amin’ny tahombolo ary asiana ihany koa ny fontony, otsorina mandritra ny 5 minitra
ny hodidoha ary avela hilona eo ora maromaro ( 1 ora farafahakeliny)
 Kombanina amin’ny rano mafana raha faible porosité ny volo ary rano mangatsiaka raha forte ( matimaty
farafaratsiny raha atahorana tsy ho afaka ny fofony)
 Atao in1 na in2 isam-bolana
Mampijanona volo mihintsana sady manalava volo :

Zavatra ilaina :

• Sakamalao iray lehibe

• Voasana ny sakamalao ary sasana madio tsara

• Totoina na rapé-na

• fihizana ny ranony

• Ahosotra amin’ny volo ary atao indroa isan-kerinandro

• Mety amon’ny karazam-bolo rehetra

• Esy mety amin’ny loha misy fery


Fanalana angadrano

Zavatra ilaina :

 Ovy 2 (pomme de terre)

 Voasana ny ovy roa lehibe

 Sasana madio tsara

 kikisana na totoina mba hahazoana ny ranony

 Tatavanina ary ahosotra amin’ny volo

 Avela hilona eo mandritran’ny adiny iray farafahakeliny

 Afaka afangaro amin’ny vahona raha mahazaka vahona ilay volo

 Mety amin’ny karazam-bolo rehetra


Tsara ho fantatra

Bain d’huile :

 Inona no atao hoe bain d’huile ?

Ny bain d’huile dia « soin » atao amin’ny volo alohan’ny hanasa loha ( soin ore-po raha amin’ny teny

vahiny) izany hoe fanosorana menaka ny volo mba hitondra sakafo ho azy. Ny bain d’huile dia miaro ny volo

amin’ny « agression » ataon’ny shampoing

 Fa maninona no manao bain d’huile ?

mba hanome sakafo ny volo, hanamfy ny tahombolo tsy ho mora tapatapaka, hampangirana ny volo ary

manalefaka azy.
 Volo manao ahoana no atao bain d’huile ?

Ny volo maina lava, makina, vakivaky ary koa ireo volo simban’ny brushing, fer à lisser, loko. Tsy voatery

izay ihany fa na ny volo salam koa dia mila bain d’huile.

 Ahoana ny fomba fanaovana bain d’huile ?

 Alaina ny menaka fampiasa mahazatra

 Zarazaina 6 na 8 ny volo

 Hosorana ilay menaka avy eo ny rambom-bolo, ny tahom-bolo ary ny hodi-doha

 Atao massage 5 minitra

 Avela adiny iray na alina manontolo dia maraina vao kobanina


 Big chop : Fanapahana ny volo simba rehetra izany hoe esorina tanterika ilay partie « défrisé »

 Small chop : Tapahina ilay volo saingy mbola tsy miala tanteraka ilay partie « défrisé » izany hoe esorina

tsikelikely

 Braids : Randrana telo

 Braid out : randrana telo efa mivaha

 Twist : Randrana roa na rasta hoy isika

 Braid out : randrana roa efa novahana

 Pré-poo : soins atao alohan’ny hanasana loha. Mety ho bain d’huile izy io
 Co wash : fanasana volo amin’ny « après champoin » izany hoe tsy mampiasa champoing eto

 Sealling na scellage : Izy io dia natao mba hitazomana ny « hydratation » ny volo; Menaka no ampiasaina eto

 wash and go : rehefa vita ny soins atao amin’ny volo dia atao « séchage à l’air libre »
Mankasitraka antsika rehetra nanjifa ity boky ity; raha misy fanontaniana dia aza misalasala mandefa hafatra

miafina ao amin’ny pejy facebook « RandraNa ». Ireo toro-hevitra rehetra ireo dia nalaina teo amin’ny tambazotran-

tserasera Facebook sy ny vokam-pikarohana nataon’ny mpanoratra. Mirary soa antsika rehetra.

« Volo kanto, vehivavy mendrika »

Vous aimerez peut-être aussi