Ny Cascade Range na Cascades dia tandavan-tendrombohitra lehibe any amin' ny tapany andrefan' i Amerika Avaratra, manomboka amin' ny atsimon' i British Columbia ka mamakivaky an' i Washington sy i Oregon ka hatrany Northern California. Ao anatiny koa ny tendrombohitra tsy misy volkano, toy ny maro amin' tendrombohitra any amin' ny North Cascades, sy ny volkano malaza antsoina hoe High Cascades. Antsoina hoe Canadian Cascades na, eo an-toerana, amin' ny hoe Cascade Mountains, ny ampahany kely amin' ilay tandavan-tendrombohitra ao British Columbia. I Mount Rainier any Washington no tendro avo indrindra amin' ilay tandavan-tendrombohitra, izay mahatratra 4 392 m.

Sarintany maneho ny Cascade Range
Mount Rainier (4 392 m)

Ny Cascades dia ampahany amin' ny Fehikibo Afo (Ring of Fire, "Peratr' Afo") ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika, "fehikibo" misy volkano sy ny tangoron-tendrombohitra mifandray amin' izany manodidina ny Ranomasimbe Pasifika. Avy amin' ny volkanon' ny Cascades avokoa ny fipoahana volkano rehetra tany Contiguous United States (tanin' i Etazonia akoatra an' i Alaska sy i Hawaii), tao anatin' ny 200 taona farany. Ny roa farany indrindra dia i Lassen Peak izay nanomboka tamin' ny taona 1914 ka hatramin' ny 1921 ary ny fipoahana lehibe tao amin' i Mount St. Helens tamin' ny taona 1980. Ny fipoahana kely tao amin' ny Mount St. Helens ihany koa dia tamin' ny taona 2004 ka hatramin' ny 2008. Ny Cascade Range dia anisan' ny American Cordillera, rojon-tandavan-tendrombohitra saika mitohy (cordillera) izay mahaforona ny "taolan-damosina" andrefana amin' i Amerika Avaratra sy Afovoany ary Atsimo.

Ny Cascades dia toerana misy valan-javaboarim-pirenena (national parks) sy faritra arovana (protected areas) maro, anisan' izany ny North Cascades National Park, Mount Rainier National Park, Crater Lake National Park, and Lassen Volcanic National Park. Ny tapany avaratry ny Pacific Crest Trail dia manaraka ny an' ilay tandavan-tendrombohitra.