Aller au contenu

Afo

Avy amin'i Wikipedia
Afo

Ny afo dia ny hafanana sy hazavana vokatry ny firehetana haingana sy maharitra sady miteraka lelafo vokatry ny fahamaizan' ny zavatra dorana izay mety ho vainga na ranoka na etona. Raha te hahazo afo dia tokony hisy zavatra azo arehitra (vainga na ranoka na etona) sy hafanana ambony ampy hiteraka firehetana ary ôksizenina na etona hafa toy ny klôro mba hamelona ny firehetana.

Ny afo, tandindona sy fivavahana

[hanova | hanova ny fango]

Tandindona

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny filôzôfia sinoa dia anisan' ny singa dimy miaraka amin' ny metaly, ny rano, ny hazo ary ny tany ny afo.

Amin' ny alsimista tandrefana dia iray amin' ny singa tsy mihetsika fototra efatra mandrafitra ny akora tsirairay miaraka amin' ny rano, ny rivotra ary ny tany ny afo araka ny fampianaran' i Aristôty taloha kokoa (ny afo dia singa ivo amin' ny foto-pampianarana maromaro mifototra amin' ireo singa efatra ireo).

Ny afo dia mifandray hoazy amin' ny Masoandro, izay loharanon' ny hafanana sy ny hazavana ihany koa (fantatra ankehitriny fa tsy fandoroana izany fa fikambanana nokleary). Matetika koa izy io no mifandray amin' ny afotroa, toy ny afo avy amin' ny fanefen' i Hefaistôsy/Volkana (ao amin' ny fedrà griko-rômana).

Izany fananana toetra mifanohitra izany dia hita amin' ny lafiny môraly sy lalàna momba ny afo; indraindray dia azo heverina ho toy ny fitaovan' ny fitsarana ambony dia ambony izy io (ny fandorana olona dia sazy heloka bevava mahazatra tamin' ny Andro Antenatenany, ary mbola misy mihitsy aza io amin' izao vanim-potoana ankehitriny izao amin' ny faritra sasany; fa ny famonoana dia heverin' ny olona sasany ho sorona ambony indrindra eo amin' ny fitsaran olombelona,​ anisan' izany ny fiarahamonina môderina, toy ny tany Tsekôslôvakia tamin' ny taona 1969); indraindray dia voaramaso mafy ny fampiharana azy, ary indraindray voasazy mafy (ny fandoroana trano na tanàna dia anisan' ny heloka bevava indrindra tany Atena).

Ny afo koa dia tandindon' ny fanadiovana, avy amin’ izany ny fampiasana ny fandorana olona amin' ny fanamelohana ho faty sasany. Ity tandindona ity dia tsy isalasalana fa avy amin' ny fanao sasany momba ny fambolena izay andoroana ny tany mba hahatonga azy ho lonaka kokoa, saingy azo antoka fa avy amin' ny loharano maro no niandohan' io tandindona io. Ny afo, izay mariky ny fanadiovana, anefa dia fanao mahazatra ny Kristiana tamin' Andro Antenatenany; rehefa nandeha anefa ny fotoana dia very na voarara ireny fanao ireny (ny fitsarana ara-pivavahana, izany inoana ho fitsaran' Andriamanitra, ny fandorana velona, sns)

Ny afo koa dia tandindon' ny fitiavana ara-nofo. Ao amin' ny amboaran-tononkalon' i Vergilio (latina: Vergilius) atao hoe Eneida (latina: Aeneis), ny fitiavan' i Didô (Dido) an' i Enea (latina: Aeneas) dia nandoro sy nandevona azy tao anatiny. Ity tandindon' ny fitiavana ara-nofo ity dia naka ny heviny amin' ny teny an' ohatra sy sary izay mampifandray ny afo sy ny firaisana ara-nofo, sy ny fitiavana tafahoatra, sy ny fiontanam-po, sy ny fihetseham-po, sns. Ao amin' ny fedrà grekô-rômana, i Kopidô (latina: Cupido) dia aseho amin' ny alalan' ny tsipìka sy fanilo. Ankoatr' izay, ny siansa dia manohana an' izany tandindona izany, satria ny antony manosika ara-tsaina sy ara-batana miaraka dia avy amin' ny fiovaovan' ny hafanana ary mifarana amin' ny firaisana ara-nofo.

Ny teny latina hoe focus, izay midika hoe "afo", dia manondro voalohany ny fatana tamin' ny Andro Antenatenany, faharoa amin' ny heviny hentitra: toerana andrehetana ny afo, avy eo amin' ny heviny an' ohatra: ny tranon' ny ankohonana, avy eo nanondro ny ankohonana.

Fivavahana

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]