Aller au contenu

Fiteny môntenegrina

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny môntenegrina dia iray amin' ny karazany manara-penitra amin' ilay ataon' ny mpahay teny sasany hoe fiteny serbô-krôatiana (na diasistema slava atsimo-afovoany), ary ataon' ny hafa hoefiteny stôkaviana, na fiteny stôkaviana vaovao na BKMS (bôsniana-krôatiana-môntenegrina-serbiana). Amin' ny teny môtenegrina dia atao hoe црногорски (amin' ny abidy sirilika) na crnogorski (amin' ny tarehin-tsoratra latina) ity fiteny ity. Arakaraka ny hevitra tiana havoitra koa dia atao hoe štokavski jezik ("fiteny stôkaviana"), na standardni novoštokavski ("fiteny stôkaviana vaovao") koa ity fiteny ity.

Amin' ny fomba fijery sôsiôlingistika, ny BKMS dia fiteny manara-penitra isan-karazany maro ivon-toetoerana iraisan' ny Môntenegrina, ny Bôsniaka, ny Krôatiana ary ny Serbiana, mifototra amin' ny fitenim-paritra stôkaviana, ka ny karazany manara-penitra hafa dia ny fiteny krôatiana, ny fiteny serbiana ary ny fiteny bôsniana. Vao haingana ihany ny fampanaraham-penitra ny fiteny môntenegrina, nanomboka taorian' ny nandravana an' i Iogôslavia ary nihafaingana izany taorian' ny nisarahan' i Môntenegrô tamin' i Serbia. Ny manam-pahaizana momba ny teny miasa ao dia mikatsaka ny hanavaka ny fenitr' io fiteny io amin' ny an' ny hafa, indrindra amin' ny fampidirana ny toetra mampiavaka manokana iraisan' ny fitenim-paritra rehetra ao Môntenegrô sy ireo toetry ny fitenin' ny literatiora môntenegrina talohan' ny fanavaozana ny fitenin' ny literatiora serbiana nataon' i Vuk Stefanović Karadžić.

Sahala amin' ny karazany manara-penitra hafa amin' ny fiteny iraisana dia fiteny ôfisialy ihany koa ny fiteny môntenegrina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]