Aller au contenu

Mozika

Avy amin'i Wikipedia

Ny mozika dia zavakanto manambatra sy mandrindra ny feo manaraka ny fizotran' ny fotoana. Ny zavatra manan-danja ao amin' ny mozika dia ny ngadona (fomba fanakambanana ny feo manaraka ny fotoana), ny haavon' ny feo (fanakambanana ny fadaharana ny feo ambany sy ambony), ny fiovan-kamafy ary ny lokon' ny feo.

Sady famoronana (sangan' asan-javakanto) ny mozika no fanehonana ary fomba enti-mifandray koa. Mampiasa fitsipika na lamim-pamoronana ny mozika, hatramin' ny farany tsotra ka hatramin' ny farany saro-drafitra (ny maripeo, ny korisam-peo, sns.). Mety mampiasa zavatra samihafa izy, ny vatana sy ny feon' olombelona ary ny zavamaneno natao ho an' izany manokana ihany koa.

Efa nisy teo amin' ny fiarahamonin' olombelona rehetra hatramin' ny vanim-potoana talohan' ny nanoratana ny tantara ny mozika.

Sady endrika fanehoan-kevitra ho an' ny tsirairay ny mozika (indrindra fa fanehoana fihetseham-po), no sady antony miteraka fiaraha-mivory sy loharanom-pahafinaretana (mandritra ny lanonana, miaraka amin' ny hira na dihy) ary koa mari-pamantarana ny vondrona ara-kolontsaina na ny firaisana ao amin' ny firenena (hiram-pirenena, mozika nentim-paharazana, mozikam-bahoaka, mozika miaramila) na ara-panahy (mozikam-pivavahana).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Miteny frantsay

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.