Aller au contenu

Safodrano

Avy amin'i Wikipedia
Ny Safodrano, nataon'i Gustave Doré, taona 1866.

Ny Safodrano dia loza nitranga, araka ny fedra sy angano, nahasafotry ny rano ny Tany manontolo ka nahafaty saika ny zava-mananaina rehetra. Tantaraina anaty bokim-pivavahana sy tahirim-pedran' ny firenena maro eto an-tany izany. Amin' ny ankapobeny izany loza izany, araka ireo boky sy fedra ireo, dia tonga noho ny hatezeran' ireo andriamanitra na hatezeran' Andriamanitra vokatry ny haratsian' ny zava-misy teto an-tany, indrindra ny ratsy ataon' ny olombelona izay efa tafahoatry ny azo leferina. Nefa tsy ny zava-mananaina rehetra na ny olona rehetra no maty satria nisy ny voatsimbina mba hanome taranaka vaovao. Taorian' izany dia nisy tontolo voadio nahitana zava-mananaina sy olombelona vaovao taranak' ireo izay voatsimbina.

Ankoatr' ilay fitantarana ny Safodrano ao amin' ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly izay miresaka ny amin' i Nôa (na Nôe) sy ny sambofiarany, dia ahitana an' izany lohahevitra izany koa ny lovantsofina am-bava na ny literatiora tranainy amin' ny firenena sy vahoaka maro eto an-tany, ka ny malaza indrindra dia ny Tantaran' i Gilgamesy.

Ny tantara ao amin' ireo bokin' ny fivavahana abrahamika

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fivavahana jiosy sy kristiana ary fivavahana silamo dia i Nôa (na Nôe) sy izay niaraka taminy no sisa tsy maty tamin' ny zava-mananaina rehetra tamin' ny safodrano.

Ny tantaran' ny safodrano ao amin' ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]
Ny Safodrano, araka an' i Michelangelo, tanelanelan'ny taona 1508 sy 1509.

Sombin-dahatsoratra avy ao amin' ny Bokin' ny Genesisy:

Fampiomanana an' i Nôa

[hanova | hanova ny fango]

17 Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin' ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin' ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin' ny tany. 18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin' ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin' ny vinantonao vavy miaraka aminao. 19 Ary ny zava-manan' aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin' ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. (Gen. 6.17-19)

Firotsahan' ny orana

[hanova | hanova ny fango]

10 Ary rehefa afaka hafitoana, dia tambonin' ny tany ny safo-drano. 11 Tamin' ny andro fahafito ambin' ny folo tamin' ny volana faharoa tamin' ny fahenin-jato taona niainan' i Nôa, tamin' izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin' ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran' ny lanitra. 12 Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin' ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina. (Gen. 7.6-12)

17 Ary naharitra efa-polo andro tambonin' ny tany ny safo-drano, dia  betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin' ny tany izy. 18 Ary nahery ny rano ka  betsaka indrindra tambonin' ny tany; dia nandeha teny ambonin' ny rano ny sambo-fiara. 19 Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin' ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin' ny lanitra rehetra. (Gen. 7.17-19)

Vokatry ny safodrano

[hanova | hanova ny fango]

20 Dimy ambin' ny folo hakiho no nihoaran' ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra. 21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin' ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany ary ny olona rehetra. (Gen. 7.20-21)

Nihena ny rano

[hanova | hanova ny fango]

3 Ary nihena niandalana niala tamin' ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano. 4 Dia nipetraka teo amin' ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin' ny andro fahafito ambin' ny folo tamin' ny volana fahafito. 5 Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin' ny volana fahafolo; tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana fahafolo dia niseho ny tampon' ny tendrombohitra. (Gen. 8.3-5)

Nivoaka avy tao amin' ny sambofiara

[hanova | hanova ny fango]

13 Ary tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana voalohany tamin' ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin' ny tany; ary nanaisotra ny tafon' ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany. 14 Ary tamin' ny andro fahafito amby roa-polo tamin' ny volana faharoa, dia maina ny tany. 15 Ary Andriamanitra dia niteny tamin' i Nôa ka nanao hoe: 16 Mivoaha amin' ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao. 17 Ary ny zava-manan' aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin' ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin' ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin' ny tany ireny. (Gen. 8.13-17)

Ny tantaran' ny safodrano ao amin' ny Kor'any

[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra avy ao amin' ny Kor'any:

Ary izao no nambara tamin' i Nôa[1]: "Tsy hisy mpino afa-tsy izay efa nino avy amin' ny vahoakanao. Aza malahelo amin' izay ataony. Ary manamboara sambo eo ambany masonay sy araka ny fanambarànay. Ary aza miantso Ahy intsony hangataka ny amin' ny olon-tsy marina, satria ho dobo izy ireo."

Dia namboariny ny sambo. Ary isaky ny nisy olom-be nandalo eo akaikiny dia nihomehy azy. Ka hoy izy: "Raha mihomehy anay ianareo, dia hihomehezanay, sahala amin' ny ihomehezanareo anay. Ary ho fantatreo tsy ho ela hoe amin' iza no hahatongavan' ny famaizana izay hanala baraka azy, ary amin' iza no hianjeran' ny famaizana maharitra!"

Avy eo, tamin' ny nahatongavan' ny didinay ka nangotraka ny lafaoro[2], dia niteny izahay hoe: "Ampidiro ny tsiroaroa isam-pivadiany ary torak' izany koa ny ankohonanao sy ireo izay mino, afa-tsy ireo izay nanononana ny didy". Nefa vitsy ireo izay nino niaraka taminy. Ary hoy izy: "Miakara ao anatiny. Ny fandehanany sy ny fiantsonany anie ho amin' ny anaran' i Allah. Eny, Mpamela heloka sy Be indrafo ny Tompoko". Ary nivezivezy izy ka nitondra azy ireo teny afovoan' ny rano sahala amin' ny tendrombohitra.

Ary Noa niantso ny zanany lahy, izay nitoetra somary nitanila (tsy lavitra ny sambo): "Ry zanako, miakara miaraka aminay fa aza mitoetra miaraka amin' ny ratsy fanahy". Namaly izy hoe: "Ndeha hialoka eny amin' ny tendrombohitra hiaro ahy amin' ny rano aho". Ary hoy i Noa: "Androany dia tsy hisy mpiaro amin' ny didin' i Allah. (Ho faty ny mananaina rehetra) afa-tsy izay amindrany fo". Ary niditra teo anelanelan' izy roa tonta (teo no ho eo) ny onjan-drano, ary isan' ireo dobo an-drano ilay zanany lahy.

Ary izao no teny: " Ry tany, atelemo ny ranonao! Ary ianao ry lanitra, mitsahara (tsy hanorana)! Nidina ny rano ka tanteraka ny baiko ary nipetraka teo ambonin' i Jōdȳ ny sambo, ary izao no teny: "Manjavòna ry olona mankasitraka ny ratsy!" (Kor'any 11.36-44).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. I Nôa na Nôe dia atao hoe Nuh amin' ny teny arabo.
  2. Ny rano no atao hoe "mangotraka" ary ny tany no oharina amin' ny hoe "lafaoro" eto.