Aller au contenu

Sokina

Avy amin'i Wikipedia
Sokina (Setifer setosus)
Faritra misy ny sokina

Ny sokina na sora dia biby mampinono ao amin' ny filaharana Afrosoricidae. Tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara izy io. Ity biby mampinono ity, izay mitovy amin' ny Erinaceidae, dia ao amin' ny fianakaviana Tenrecidae. Setifer setosus no anarany ara-tsiansa. Tsy toy ny Tenrecinae hafa ao amin' ny karazana Hemicentetes, tsy afaka manintsana ny volo tsilony ny sokina. Afaka miforitra ho toy ny baolina anefa izy. Ny fonenany voajanahary dia ny ala amin' ny faritra ambanin' ny zana-pehintany na manodidina ny zana-pehintany, ny kirihitra sy ny ahitra, ny hivoka, ny zaridaina ambanivohitra, ary ny faritra tanàn-dehibe koa. Izy io no hany karazana ao amin' ny vondron-karazana Setifer. Na dia eo aza ny fitovitoviana dia tsy mifandray akaiky amin' ny Erinaceinae izy io.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny faritra sasany eto Madagasikara, indrindra ao afovoan-tany, amin' ny Merina, dia tsy azo hanina ny sokina fa fady.

Ohablana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Amboa ngerom-bava: tazanina toa mitondra sokina, nony akaiky vavany ihany.
  • Aza manantena tain-tsokina, fa tsy mba hihaza.
  • Aza manao toy ny sokina: ny varatra hamono tsy mahatahotra azy, fa ny fanala indray no ahatahorany.
  • Haza sokin-dRainilesoka ka ny efa azo ihany no mody alefalefa.
  • Jamba nitsapa sokina ka tsy navelan' Andriamanitra hihinam-boalavo.
  • Manao fanahin-tsokina: raha mahazo zavatra dia mivonkina.
  • Rangahibe leon-tsokina: ny mby am-bilany dia ariana, ary ny any an-tsaha tsy hakarina intsony.
  • Mason-tsokina ka ny kely ananana no ahiratra.
  • Mason-tsokina, masom-boalavo, izay kely ananana ahiratra.
  • Mitsotra alina fa mivonkina antoandro toa sokina.
  • Nokekerin' ny sokina aho, nigigigigy; nokekerin' ny trandraka aho, nidradradradra.
  • Rafotsibe leon-tsokina, ka tsy te-hijery vodi-kifafa.
  • Soki-mahay vato: osy mahay harana.
  • Sokina nanani-bato ka tapi-dalan-kaleha.
  • Sokina anaty voaroy, ka hitan' ny maso fa sarotra alaina.
  • Sokina manatona afo an' efitra; tonga ihany, fa manaton-doza.
  • Sokina mbola any an-davany, ka ny afo hitonoana azy no mahavery hevitra.
  • Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina
  • Sokina nitsoka sodina, ka ny mivoaka no be noho ny miditra.
  • Tsy mety raha hanao sokina mahazo valala: raha mahazo dia mivonkina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  • Trandraka
  • Sora (Hemicentetes nigriceps sy Hemicentetes semispinosus)