Aller au contenu

Vistula

Avy amin'i Wikipedia
Fihaonan' i Vistula sy i Narew ao Modlin

I Vistula na Visla no ony pôlôney lehibe indrindra, mirefy 1 047 km, izay manondraka indrindra an' i Varsôvia sy i Krakôvia, ary ony faha-9 lava indrindra any Eorôpa. Atao hoe Wisła izy amin' ny teny pôlôney, Vistula amin' ny teny latina ary Weichsel teny alemàna.

Mirefy 193 960 km2 ny faritanin-drano manome rano azy, izay any amin' ny firenena telo hafa ankoatra an' i Pôlônia, fa ny any Pôlônia dia 168 868 km2 amin' io.