Aller au contenu

Angely

Avy amin'i Wikipedia
Angelivavy an-tsaha (Gryllus campestris)

Ny angely na antsiona dia bibikely manan-tongotra enina ka lehibe sy lava kokoa ny aoriana, tokony telo sm ny halavan' ny vatany, manana ringotra lava, mikiririoka amin' ny alina. Atao hoe Gryllidae (fianakaviana) ny anaran' izy ireo ara-tsiansa. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Mahaforona fianakaviana bibikely (Gryllidae) mahitsy elatra (Othoptera), ao amin' ny zana-pilaharana Ensifera, izay nihena be tao anatin' ny 100 taona farany: vondrona toy ny angely-hala sy ny namany, angely mirambon-tsabatra, ny angelin-kazo na angelin-tany, ary ny angely be kirany dia nasandratra ho fianakaviana.

Ny vavy dia manana taovam-panatodizana lava (miendrika sabatra) ary manana ringotra (tandroka) lava manify miendrika karavasy. Manavaka ny lahy sy ny vavy ny fisdian' io fitaovam-panatodizany io, nefa koa ny lahy dia manana taova misy feo eo am-pototry ny elatra mafy.

Angely an-tsaha mbola kely (Gryllus campestris)

Misy karazana angely eo amin' ny 5 000 eo ho eo eran' izao tontolo izao, ary hita ny soritry ny fôsily manaporofo ny fisian' izy ireo nanomboka tamin' ny vanim-potoana Triasika Ambony. Misy mivelona an-tranon' olombelona ny angely (angelinkary na antsionkary) ary misy ny mivelona any an-tsaha.

Angelilahy an-trano (Acheta domesticus)

Miely maneran-tany izy ireo (afa-tsy any Antarktika). Ny lehibe indrindra amin' ny fianakaviana dia ilay vondron-karazana atao hoe Brachytrupes izay mirefy 5 sm ny lavany izay mangady lavaka honenany iray metatra na mihoatra (fahita aty Afrika). Ny angelin-kazo (Oecanthinae) dia bibikely fotsy na maitso hatsatra manana elatra anoloana mangarahara, fa ny angely an-tsaha (Gryllinae) kosa dia bibikely matanjaka mivolontany na mainty.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Angely ka samy maneno eo am-baravarany.
  • Aza manao fikitra mampiady angely
  • Aza manao tahaky ny angely kabatita[1].
  • Mihinjihinjy, ohatra ny adin' angely.
  • Ny harena sahala amin' ny angely ka samy miritika amin' ny ananany.
  • Tain' angely ka samy manilika ny eo am-baravarany.
  • Tokantranon' angely, ka midrikina amin' izay ananana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny hoe kabatita na kabanty dia anarana ilazana ny angelivavy.