Aller au contenu

Antigoa-sy-Barboda

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Antigoa-sy-Barboda
Sarintanin' i Antigoa sy Barboda
Ny nosy ao amin' i Antigoa-sy-Barboda

I Antigoa-sy-Barboda dia firenena ao Amerika Afovoany, anisan’ ireo nosy Antilia ao amin' ny Ranomasina Karaiba. Ny renivohiny dia i Saint John's. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 440 km2 ny velaran-taniny ary miisa 81 799 ny mponiny. Ny faritr' ora dia -4. Atao hoe Antigua and Barbuda izy amin' ny teny anglisy.

Tangoro-nosy kely dia kely i Antigoa-sy-Barboda izay ahitana nosy telo, dia i Antigua ao atsimo sy i Barbuda ao avaratra ary i Redonda ao atsimo-andrefana. Ny vohon-tanin' i Antigua dia somary fisaka, nefa misy tendrombohitra manana haavo 470 m. I Barbuda kosa, izay hodidinin' ny haran-driaka, dia nosy manana vohon-tany fisaka sady misy tora-pasika manify. Na dia toetanin-jana-pehin-tany aza ny toetany any dia indraindray ianjadian' ny haintany ireo nosy ireo.

Saika ny mponina manontolo ao no manam-piaviana afrikana. Ny anglikanisma no fivavahan' ny ankamaroan' izy ireo. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy. Atao hoe Antigoaiana ny mponina ao.

Miompana amin' ny fambolena sy ny fizahàn-tany ny toekaren' i Antigoa-sy-Barboda.

Zanatany britanika taloha i Antigoa-sy-Barboda izay nahaleo tena nanomboka tamin' ny taona 1981 sady mpikambana ao amin' ny Commonwelth. Ara-keviny dia governera jeneraly misolo tena ny mpanjaka britanika no tokony mpampihatra ny fahefana nefa ny praiministra, izay avy ao amin' ny Antenimiara, no tena manatanteraka izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.