Aller au contenu

Elisa

Avy amin'i Wikipedia
Ny mpaminany Elisa manangan-ko velona ny zanakalahin' ilay vehivavy sonamita. Sary tamin' ny Baiboly tany am-piandohan' ny taompolo 1900.

I Elisa na Elisea dia mpaminany resahina ao amin' ny Testamenta Taloha, indrindra ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka.

Avy amin' ny teny hebreo hoe אלישע / Elisha, izay azo adika hoe "Nanampy Andriamanitra", ny anarany.

Tamin' ny fotoana nampisy korontana sy nanapahan' ny mpanjaka nandimby an' i Sôlômôna (na Salômôna) izay nirona tamin' ny fanompoan-tsampy sy tamin' ny fanaranam-po isankarazany no tena niasan' ny mpaminany Elisa sy ny mpaminany Elia izay nananatra ireo mpanjaka ireo ny mba hiverina amin' ny fanompoana an' Andriamanitra ka hiala amin' ny fivavahana amin' ny andriamanitry ny firenen-kafa toa an' i Baala sy i Astarte.

Fitantarana ao amin' ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

Voaresaka fohifohy ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka i Elisa izay notendren' i Elia ho mpianany. Tsy misy filazana an' i Elisa ny toko alohan' ny faha-2 ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka izay mitantara ny nampakarana an' i Elia ho any an-danitra tamin' ny alalan' ny kalesin' afo. Aorian' io ny fitantarana ny asan' i Elisa sy ny fahagagana samihafa nataony hatramin' ny toko faha-9. Tantaraina ao amin' ny faran' ny toko faha-13 ny fahafatesan' i Elisa sy ny fandevenana azy.

Nandimby an' i Elia i Elisa nandritra ny fanjakan' i Jôrama zanak' i Ahaba (na Akaba), mpanjakan' i Israely. Nanatanteraka ny asa maha mpaminany azy i Elisa nanomboka tamin' ny nampakarana an' i Elia tany an-danitra, ka naharitra dimampolo taona izany, tao amin' ny Fanjakan'i Israely, tamin' ny fotoana nanjakan' i Jôrama sy i Jeho sy Jôahaza (na Jôakaza) ary i Jôasy (na Jôasa). Tsy tamin' ny Israelita ihany no nifantohan' ny asany fa tamin' ny vahoaka hafa koa. Maty i Elisa tokony ho tamin' ny taona 800 tal. J.K.

I Elisa sy ny mpanompony, araka ny lovantsofina, dia nisy fotoana nitoerany tanaty zohy tao amin' ny tendrombohitra Karmela mba hanome fampianarana ny mpianany. Hita amin' ny andalana ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka izay milaza fa nankeny amin' ny tendrombohitra Karmela ilay vehivavy Sonamita dia mety manamarina izany lovantsofina izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]